Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Sotasota sy filam-baniny… : zandary roa lahy nofaohin’ny taxi-be teny Mahazoarivo

    Sotasota sy filam-baniny… : zandary roa lahy nofaohin’ny taxi-be teny Mahazoarivo

    Zandary roa lahy no indray naratra nodonin’ny taxi-be 113 teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be eny Mahazoarivo, ny alin’ny asabotsy teo. Lasa nitsoaka avy hatrany ny mpamily rehefa avy nandona…

     

    Zandary samy G2C miasa ao amin’ny EP 1 Mahazoarivo ireto niharam-boina, ny asabotsy alina ireto. Voalaza fa nanao ny asa fiambenana izy ireo tamin’io fotoana io no nofaohin’ilay taxi-be 113 tampoka. Toy ny niniana natao ilay loza satria rehefa nianjera ireo zandary dia mbola niverenana nodomina indray, saingy tsy naninona izy roa lahy fa avotra soa aman-tsara. Lasa nitsoaka avy hatrany ilay mpamily rehefa avy nandona fa najanony teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be kosa ilay taxi-be Sprinter. Nentina haingana teny amin’ny Homi eny Soavinandriana ireo zandary niharam-boina ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy. Notazonina ao amin’ny EP 1 ao Mahazoarivo kosa ilay fiara Sprinter. Ny tobim-paritry ny zandarimaria Tanà ville no misahana ny fanadihadiana.

    Isan’ny andraikitr’ireo zandary ao amin’ny EP 1 ireo no mandrindra ny fifamoivoizana amin’iny lalana mihazo ny lapam-panjakana eny Mahazoarivo iny satria marobe ireo olom-panjakana mifamezivezy amin’iny lalana iny.

    Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka, araka izany, ny zandary ka aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra mikasika ity raharaha ity.  Mitohy koa ny fikarohana ilay mpamily nahavanon-doza.

    Melohin’ny lalàna, araka izany, ny fihetsika tsy am-piheverana atao amin’ny mpitandro filaminana toy izao.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.