Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    An-kitsim-po : vidin-tsolika : maro ny antony

    Tsy mazava ny fipetraky ny vidin-tsolika eto an-toerana na mihena hatrany aza ny vidiny eo amin’ny tsena iraiosam-pirenena. Nisy ihany ny fidinany eny amin’ireo mpivarotra azy, saingy hatramin’izao, tsy hita firy ny fiantraikany ho an’ny mpanjifa  raha ampitahana amin’ny vidin’ny iraisam-pirenena. Nitondra fanazavana ny mpitantana toby fivarotan-tsolika iray fa ankoatra ny vola ariary maivana  loatra manoloana ny dolara, tsara ho fantatry ny rehetra fa mbola eo ny fanadiovana azy any ivelany, fitaterana, fiantohana sy ireo haba isan-karazany alain’ny fanjakana. Efa 50 % mahery amin’ny fandaniana rehetra izany, raha ny filazan’io mpitantana io.

    Nambarany ihany koa fa olana iray lehibe ho azy ireo ny fahavoazan’ny Jirama. Mampitombo ny fandaniana ihany koa io ary tsy voafetra mihitsy ny lany amin’izany. Misy fotoana maharitra 14 ora ny fahatapahan-jiro, tsy eto Antananarivo ihany fa indrindra, ny any amin’ny faritany. Manampy izany ny vola mivoaka hafa noho ny tsy fandriampahelemana. Any amin’ny toerana sasany, voatery manarama mpitandro filaminana mandritra ny 24 ora ny toby fivarotan-tsolika iray. Raha fintinina, miankina betsaka amin’ny toe-draharaha eto an-toerana ny vidin-tsolika.

    M.C

    Les commentaires sont fermées.