Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Famindram-pitantanana : talen’ny Omda i Charles Maurin Poty

    Famindram-pitantanana : talen’ny Omda i Charles Maurin Poty

    Notontosaina, omaly, teny amin’ny foiben’ny Omda ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale teo aloha Haja Ranjarivo sy ny tale vaovao Charles Maurin Poty. « « Directeur par Résolution » ny anarana hoentiny. Izy no hisahana ny asan’ny talen’ny Omda ao anatin’ny efa-bolana », hoy i Samoëla, filohan’ny filan-kevipitantanan’ny Omda. Ahitana « délégués » telo miara-miasa aminy akaiky. Ny iray notendren’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny vakoka, ny roa notendren’ny filankevi-pitantanan’ny Omda.

    Manana iraka goavana izy ireo ao anatin’io efa-bolana io, raha ny fanazavana nomen’i Charles Maurin Poty. Fanatanterahana « audite » miaraka amin’ny tompon’andraikitra misahana izany. Fanamboarana ny sata mifehy ny Omda ary ny fandrosoana anarana telo any amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina ny amin’izay hitantana ny Omda aorian’io efa-bolana io.

    Nanamafy hatrany ny tale vaovao fa hotohizina ireo efa nikelezan’ny mpanakanto sy ny Omda aina hatramin’izany. Isaky ny alarobia, afaka mifanerasera sy mifandray akaiky ny Omda sy ny mpanakanto te hanao izany. Nanome toky ny mpanakanto izy fa tsy handiso fanantenana azy ireo fa hanao izay tratry ny heriny amin’ny fandaminana tokony hatao. Nisaotra ireo niara-niasa taminy hatramin’izay sy ny mpanakanto kosa, ny tale teo aloha.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.