Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fotodrafitrasa : notokanana ny «Complexe sportif de Mahajanga»

    Notokanana, tamin’ny fomba ofisialy, ny alahady lasa teo, tany Mahajanga, ilay fotodrafitrasa ara-panatanjahantena na ny Complexe sportif de Mahajanga. Ny filoham-pirenena mihitsy no nanatanteraka izany, tany an-toerana. Nambarany, taorian’ny hazakazaka nataony niaraka tamin’ireo atleta sy ny vahoaka tany an-toerana, fa miaraka ary manohana ny fanatanjahantena sy ny tanora ary manana fahatokisana sy te hiaraka amin’ny filoha ny vahoaka. “Miasa mangina ao anatin’ny fanetrentena fa tsy be resaka isika. Tao anatin’izany toe-tsaina izany, nahafahana nanatanteraka ireo asa marobe manerana ny Nosy”, hoy izy.

    Nohamafisin’ny minisitry ny Fanatanjahantena, tamin’ny lahateniny, fa tena ilain’i Madagasikara izao fotodrafitrasa izao, satria betsaka ireo fihaonana iraisam-pirenena sy ny fifaninanana nasionaly, karakaraina. Ankoatra ity, Complexe sportif de Mahajanga ity mbola hisy koa fanorenana dobo filomanosana. Tanjona ny hananan’ny tanora “saina matsilo ao anatin’ny vatana salama”. Nisy fanolorana fitaovana teknika sy kojakojam-birao, ho an’ny tomponandraikitra, mba hampizotra ny asa, ao amin’ity Complexe sportif ity.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.