Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mitohy ny fizarana ny fanampiana ny mpitatitra 

    Mitohy ny fizarana ny fanampiana avy amin’ny fanjakana ho an’ny tompon’ny fiara miasa amin’ny zotra mpitatitra olona eto an-dRenivohitra. Ny sampandraharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) no mikarakara ny fizarana ny vola. Amin’izao fotoana izao, manefa ny fanampiana amin’ny volana jolay-aogositra 2015 ny tomponandraikitra, araka ny fanazavana azo. Nanomboka ny volana desambra 2014 ny fanahapan-kevitra hanohana ny mpitatitra, volana janoary 2015 ny fizarana ny vola voalohany ho an’ireo tompon’ny fiara nahafeno ny antontan-taratasy rehetra. Amin’ny ankapobeny, 7 000 ny fiara omena ny fanampiana fa mbola misy ny antontan-taratasy misy olana teknika. Mitohy ny fizarana hatramin’izao. Misy elanelany dimy volana ny fizarana ny vola satria mbola nodinihina ny antontan-taratasy rehetra tonga teo anivon’ny ATT.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.