Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zokiny indrindra eran-tany ? : 135 taona i Be Njara izao

    Zokiny indrindra eran-tany ? : 135 taona i Be Njara izao

    Azo lazaina ho anisan’ny olona tratra antitra indrindra eto amintsika i Be Njara antsoin’ny zafiny hoe Kako Be, monina ao Ambodiazinina Toamasina II. Efa mananika ny faha-135 taona izy ankehitriny. Mbola afaka miteny tsara izy, saingy eo amin’ny fahitana no sahirana ary efa tsy afaka mandeha intsony. Tsodranon-drazana malagasy ny hoe « enga anie ka ho tratra antitra ary hifanatri-tava amin-janaka sy zafikely ». Tanteraka tsara amin’ity renibe ity izany. Olana amin’ity rafotsibe ity ny tsy mba famangian’ireo zafiny marobe azy izay efa misy mipetraka any ivelany ny sasany ary manan-karena eto Toamasina sy ao Antananarivo ny hafa. Ireo sahirana ara-pivelomana any ambanivohitra ihany no mikarakara azy ary saika lehilahy avokoa izany. Mety ho izy no zokiny indrindra eran-tany. Raha ny fantatra mantsy, 122 taona no hita ho zokiny indrindra eran-tany. Rehareha ho an’ny Malagasy ny fananana an’i Be Njara.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.