Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – «Chan 2016» : hidona amin’ny Liona kameroney ny Elefanta ivoarianina

    Kitra – «Chan 2016» : hidona amin’ny Liona kameroney ny Elefanta ivoarianina

    Hifampihantsy ny samy biby be, eo amin’ny fihodinana faharoa, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, na ny “Chan 2016”, taranja baolina kitra. Hidona amin’ny Liona tsy voafolaka avy any Kameronina ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.

    Hotanterahina ny asabotsy 30 janoary ho avy izao ny lalao ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny baolina kitra, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina, ary miatrika ny fifaninanana ao amin’ny firenena misy azy, na ny “Chan 2016”. Fihaonana izay tanterahina any Roandà.

    Hifanehatra, amin’izany, ny Liona tsy voafolaka avy any Kameronina sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Hangotraka ny fihaonan’ny roa tonta satria samy sangany no hifampitana.

    Raha tsiahivina, nitana ny laharana faharoa, tao amin’ny sokajy “A”, nisy azy, ny Elefanta, taorian’ny faharesena iray sy fandresena roa azony. Nitazona ny laharana voalohany kosa, tetsy ankilany, ny Liona tsy voafolaka, tao amin’ny vondrona “B”.

    Sambany ary voalohany eo amin’ny tantarany no tafita amin’ny dingana faharoa toy izao ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, amin’ity “Chan 2016” ity. Hiezaka hanao izay azony atao, ny Ivoarianina, amin’ity, handrodana an’i Kameronina, mpifanandrina manana ny lanjany, amin’ity fihaonana ity.

    Ny fihaonana faharoa indray, hifandonan’i Roandà, mpampiantrano amin’ny Repoblika Demokratikan’i Kongo. Heverin’ny rehetra fa na ekipa tsy mbola ampy traikefa loatra amin’ny fihaonana toa izao aza ry zareo Roandey, betsaka ny mihevitra fa mety hanana tombony izy ireo, noho ny filalaovany ao amin’ny kianjany sy manoloana ny mpijeriny.

    Tsiahivina fa atao ao amin’ny kianja Huye ny lalaon’i Côte d’Ivoire sy ny Liona tsy voafolaka ary any Amahoro ao Kigali kosa ny an’i Roandà sy RD Kongo.

    Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.