Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Resaky ny mpitsimpona akotry : adidy atrehina noho ny maha solombavambahoaka

    Na tsy tanteraka aza ireo karazana fifanarahana mikasika ny fiantsorohana adidy saika ifanaovan’ny fahefana roa tonta dia hita taratra fa samy miseho ho vonona na ny tompon’ny fanapahana eo amin’ny fandaniana lalàna na ireo mpamolavola mialoha izany lalàna izany fa samy niova fihetsika amin’ny fahavononana hiatrika ny adidiny.

    Azo arahabaina ny fahefana mpanatanteraka fa sambasamba nametraka ara-potoana ny volavola mikasika ny lalàna mifehy ny teti-bola ho enti-miasa amin’ny manaraka. Izany fanajana fotoana izany dia fomba fanajana ny fahefana mpanapaka izay tsy tampohina na dodosana fa nomena fotoana maharitra andinihiny sy iadiany hevitra mialoha ny fandaniany na ny fanipahany ilay fikasana aroso mikasika ny teti-bola.

    Tsy hita tsy omena famporisihina koa andaniny ireo solombavambahoaka amin’ny fampisehoana fahaiza-mandinika sy fahasahiana mba ho solontena matsilo raha tombontsoam-bahoaka no imasoana sy arovana.

    Ny governemanta no mandanjalanja ny fomba fandrarina ny adidy sy asa atrehiny arakaraky ny fandaminana ny eo am-pelatanana, ny fifandanjana izany tsy hitongilana no tanjona kendreny ho fehezina.

    Adidin’ny solontenan’ny vahoaka kosa no mitsinjo fa sao varimbarinan’ny fitandremana ny teknika mifehy ny fahatsaran’ny fitantanana.

    Mafampana amin’izao fotoana izao ny adihevitra mikasika ireo Nosy kely miparitaka eto amin’ny Ranomasimbe Indianina, dia ny « îles Eparses » izany. Manana anjara hilaza ny heviny ireo olona voafidy. Rariny raha mijoro amin’ny fiandrandrana ho tompon’ireo nosy mifono sady didinina harena na ambanin’ny tany na an-dranomasina ny Firenena Malagasy. Harena matory lova ho an’ny taranaka izany ka tsy maintsy arovana. Any aoriana azo antenaina fa ho hain’ny tena no mifehy ny fitrandahana izany. Tsy mety anefa raha ho varimbarinan’izany fotsiny ka mbola tsy ho jerena ny mikasika ity fanomezana vahana ny vahiny ity, famelana azy hividy tany dia hitrandraka araky ny danin’ny kibony. Ohatra fotsiny, ao Nosy Be misy trano fandraisam-bahiny mampanofa ny fonenana iray indray alina ao aminy, manafosafo ny dimy hetsy sy sivy tapitrisa iraimbilanja raha tsy manefa anefa izy mihoatra ny enina hetsy isam-bolana fotsiny ho karaman’ny mpampirin-trano ao aminy. Raha izany no dinihina raha mbola izao no fahaizana mitantana izay tsy ahitan’ny mponina tombontsoa dia mbola lavitra ny ahazoana manantena fa hahita tombony amin’ny fananana ny “îles Eparses” ny vahoaka.

    Léo Raz

    Les commentaires sont fermées.