Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Anosizato Andrefana : fatin-dehilahy feno ratra hita tao ambany fandriana

    Anosizato Andrefana : fatin-dehilahy feno ratra hita tao ambany fandriana

    Fatin-dehilahy 36 hita tao amina trano iray eny Anosizato Andrefana ny alarobia tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Hita tao ambany fandriana ny razana, nirakotra lamba fotsy. Nisarona kilaoty ny lohany rehefa nalana ilay saronan-damba. Nahitana dian’antsy ny tendany, ny kibony, ny ilakibony. Nohamarinin’ny dokotera teny an-toerana niaraka tamin’ny zandary fa novonoina izy ity. Voalaza fa kilaoty fohy no teny an-kodiny nandritra ny fahitana ny razana. Ny môtô no fantatra fa very, ary tsy mbola hita sy fantatra ny mety ho nahavanona izao famonoan’olona izao.

    Araka ny fanazavana azo, nampandre ny zandary ity toe-javatra hafahafa ity ny tompon-trano. Nambaran’ny zandary fa ny zanak’ilay tompon-trano no nasainy nijery ity mpanofa trano, izay efa nisokatra teo foana ny trano hatramin’ny talata lasa teo. Vao teo amin’ny tohatra, naheno fofona maimbo be ilay tovolahy iraka. Nampilaza ny rainy izy ary nantsoina ny zandary. Nojerena ka ilay faty hita tao an-trano. Mandeha ny fanadihadiana rehetra manodidina ity fatiolona ity. Voalazan’ny mponina fa toe-javatra tsy fahita eny an-toerana.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.