Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fizahantany mamoafady : vita ny fitsipi-pitondrantena ao Diana 

    Natao sonia omaly tany Antsiranana ny fitsipi-pifehezana tokony harahin’ny mpisehatra amin’ny fizahantany eto amintsika. 34 ny vondrona sy mpandraharaha amin’ny fizahantany nanaiky ny hiasa hiady amin’ny fanararaotana atao amin’ny ankizy sy ny fizahantany mamoafady ho an’ny faritra Diana. Nialohavana fiofanana ny fametrahana ny fitsipi-pifehezana fitondrantena ho an’ny mpisehatra rehetra tafiditra ao anatin’ny resaka fizahantany. Miara-miasa ao ny minisiteran’ny Fizahantany, ny fitaterana, Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara sy ao Antsiranana. Nanohana ara-teknika ny atrikasa sy ny fametrahana ny fitsipika ny Unicef sy ny birao iraisam-pirenena momba ny asa (Bit). Nanamarika ny tomponandraikitra fa ny fanaovana ny sonia dia manamarika ny fahavononan’ny mpandray anjara ao Antsiranana, Ambilobe, Ambanja hiady amin’ny fizahantany mamoafady.

    Hitarina amin’ny faritra hafa ny fametrahana ny fitsipi-pifehezana amin’ny fitondrantenan’ny mpisehatra amin’ny fizahantany, ary hanohana ny asa ny Bit sy ny Unicef.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.