Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ihosy : olona efatra saika hivarotra taolam-paty

    Noraisim-potsiny! Tratran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andohan’Ilakaka, afakomaly, ireo olona efatra saika hivarotra taolam-paty an-tsokosoko tany an-toerana. Araka ny fanazavan’ny zandary, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisian’ireto olona mikasa hivarotra taolam-paty ireto ao Andohan’Ilakaka. Nidina teny an-toerana ny zandary ka nanao ny vela-pandrika rehetra ka sarona avy hatrany ireo olona efatra voarohirohy. Voalaza fa samy monina ao Ambalamahavelona ao Sakaraha izy ireo. Tsy mbola hita kosa ireo taolana fa vao saika hitady mpividy ry zalahy tamin’io fotoana io, kanjo izao tratra tampoka izao.

    Tsy vao izao fa matetika ahitana trangana halatra taolam-paty amin’iny faritra iny.  Hatreto, tsy fantatra marina izay tena anaovana ireny taolam-paty ireny na ireo olona ambadik’ity raharaha halatra taolam-paty ity. Araka ny fantatra kosa, volabe ny karaman’ireny mpangalatra taolam-paty ireny satria efa ao anatina tambajotra goavana mihitsy ry zalahy. Samy tsy mbola niloa-bava rahateo izay tratran’ny mpitandro filaminana amin’ity raharaha ity.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.