Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Politikan’ny fambolena : 200 tapitrisa dolara andrasana amin’ireo mpamatsy vola

    Politikan’ny fambolena : 200 tapitrisa dolara andrasana amin’ireo mpamatsy vola

    Mametraka politika vaovao ny minisiteran’ny Fambolena amin’ity taona ity hanatsarana ny fambolena. Anisan’izany ny fanamboarana sy fanajariana fotodrafitrasa, fampiofanana ny tanora, ady amin’ny kere any atsimo, lasi-piofanana ho an’ny teknisianina, politika hoentina miady amin’ny valala. 200 tapitrisa dolara no heverina ho azo avy amin’ireo mpamatsy vola momba ireo rehetra ireo. Notsindrin’ny minisitra Ravatomanga Roland amin’izany, mandritra ity taona 2016 ity, ny fanatsarana ny voka-bary. Fantatra ny fisian’ny olana tamin’ny fambolem-bary tamin’ny taon-dasa, noho ireo faritra betsaka dibo-drano. Koa ilaina ny mahafehy tsara ny rano manondraka tanimbary miaraka amin’izay fanamboarana vaovao na fanajariana ireo fotodrafitrasa mahakasika izany.

    Misy ezaka fanamboarana lehibe efa natomboka momba izany fanatsarana fotodrafitrasa manondraka tanimbary izany ho fanampiana ny tantsaha ; mbola maro ihany koa anefa ny asa miandry” hoy ny minisitra Ravatomanga Roland. Ny fanatanterahana izany, iarahana amin’ny teknisianin’ireo mpamatsy vola : ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad), ny Fonds international de développement agricole (Fida) ary ny Banky iraisam-pirenena. Misy tetikasa efatra tohanan’ireo mpamatsy vola ireo, anatin’izany koa ny fanohanana ireo fikambanana sy rafi-pandaminana samihafa, izay tohana ho an’ireo tantsaha marefo.

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.