Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsy manaiky hatao fitaovana ny zanak’i Fandriana

    Nifoha amin’ny torimasony ? Nahatsiaro tena ho voafitaky ny mpanao politika hatrany ny zanak’i Fandriana, araka ny fanambaran’izy ireo, omaly. Manana olona maro misahana andraikitra ambony eto amin’ny firenena izy ireo. Eo koa ireo mpanao politika sy mpandraharaha samihafa. Ny mpitantana teo aloha amin’ny isan’ambaratongany, manomboka eo anivon’ny kaominina, distrika… Tsy tena hita taratra anefa ny fampandrosoana nipaka tamin’ny vahoaka tao anatin’ny vanim-potoana maromaro, nitondran’ny ankamaroan’izy ireny.  Eo ireo tsy hita nanjavonana.

           Manoloana izany, velon’ahiahy ny vahoaka any an-toerana amin’ny mety mbola hanaovana fitaovana politika azy ireo indray, hoentina hitadiavana seza sy tombontsoa manokana sy voninahitra.

           Ho an’ireto avy amin’ny zanak’i Fandriana ireto, tokony ho hita taratra amin’ny asa efa natao sy ny zava-bitany ny rehetra, indrindra fa ireo mpanao politika na tompon’andraikitra sy mpandraharaha. Ohatra, efa mba nametraka ny dian-tanany amin’ny faritra niaviany.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.