Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ua : « Miroso amin’ny fitoniana ny Malagasy »

    Ua : « Miroso amin’ny fitoniana ny Malagasy »

    « Efa an-dalana amin’ny fahamarinan-toerana politika i Madagasikara », hoy ny fanambaran’ny Vondrona afrikanina (UA), tamin’ny fanokafana ny fivoriana ao Addis-Abeba, omaly. Nankasitraka ny dingana vitantsika izy. Efa any an-toerana rahateo nialoha lalana ny filoha Rajaonarimampianina, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice.

    Teo koa ny fankasitrahan’izy ireo ny fahavitan’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy loholona.  Nambaran’ny minisitra Atallah Béatrice fa miroso amin’ny fanarenana ny firenena izao ny mpitondra. « Eo ny fanaingana ny toekarena sy sosialy miaraka amin’ny finiavan’ny hery politika, miaramila sy ny hery samihafa », hoy izy tamin’ny lahateniny. Notsiahiviny fa efa an-dalana ny hananganana FFM.

    Nihaona amin’ireo diplaomaty samihafa koa ny tenany : Grande Bretagne, Pays-Bas, Georgie, Japon… « Miompana amin’ny fampiasam-bola sy ny fampandrosoana ny dinika », hoy ny minisitra.

    Synèse R. 

    Les commentaires sont fermées.