Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tontolon’ny fifandraisan-davitra : miady amin’ny fanjakana ny Orange Madagascar

    Tontolon’ny fifandraisan-davitra : miady amin’ny fanjakana ny Orange Madagascar

    Nolavin’ny fitsarana ny fitoriana nataon’ny orinasa Orange ny fanjakana, manohitra ny sata vaovao mifehy ny fifandraisan-davitra. Mpanjifan’ity orinasa anefa ny fanjakana, ihantsiany ady. Atsy Cameroun, maherin’ny 70 miliara FCFA ny trosan’ny Orange tsy voaloany amin’ny fanjakana.

    Sahy mihantsy ady mivantana amin’ny fanjakana ny orinasa misehatra amin’ny fifandraisan-davitra Orange Madagasikara. Notoriny ny fanjakana, mba hanafoana didim-panjakana fampiharana telo, mikasika ny lalàna vaovao mifehy ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara. Nivoaka, omaly,  ny didy avy any amin’ny filankevi-panjakana (Conseil d’état), nitsipaka ny fitoriana.

    Midika ho tsy fanekena ny rafitra sy ny lamina apetraky ny fanjakana amin’ny tontolon’ny fifandraisan-davitra ity fitoriana ity. Iaraha-mahalala anefa fa mpanjifan’ny Orange  Madagasikara ny fanjakana, nefa toriny any amin’ny fitsarana sy hananganany ady. Tsy hita any amin’ny firenen-kafa ny toy izao ary mahavariana fa maningana ity orinasa ity, nefa manaraka sy mankato ny rafitra napetraky ny fanjakana ny mpandraharaha hafa.

    Tsy fanarahan-dalàna hatrany Cameroun

     

    Tsy eto Madagasikara ihany ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny Orange. Araka ny tatitra navoakan’ny Vaomieram-pirenena miady amin’ny kolikoly any Cameroun (Conac), ny 19 janoary teo, mahatratra 176 miliara FCFA* ny trosa tsy voaloan’ny Orange, ny MTN ary ny Camtel  amin’ny fanjakana kameroney, ka an’ny Orange ny maherin’ny 76 miliara FCFA  amin’ireo.

    Nambaran’ny mpandrindra ny fanaraha-maso ao amin’ny Conac tamin’ny haino aman-jery Cameroon radio and television (CRTV), ary notaterin’ny fampahalalam-baovao Ecofin, fa “nanao fandikan-dalàna maro ireo orinasa fifandraisan-davitra iro. Ao anatin’izany ny fanaovana asa tsy nahazoana alalana, toy ny lalao kisendrasendra, ny fifampiraharahana ara-bola tsy mazava, fampiasana antontan-taratasy tsy mifanaraka amin’ny lalàna ary tsy fandoavana haba sy hetra samihafa”.

    Randria

    Les commentaires sont fermées.