Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fifidianana filohan’ny Repoblika  : vonona hiatrika ny 2018 ny Arema

    Fifidianana filohan’ny Repoblika  : vonona hiatrika ny 2018 ny Arema

    Tsy maty fa matory ny antoko Arema. Na teo aza, ohatra, ny tsy fahombiazan’ny antoko tamin’ny fifidianana loholona, ny 29 desambra 2015: vonona hiatrika ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny taona 2018.

    Anisan’ny nambaran’ny seketrera jeneralin’ny Arema, Simon Pierre, tamin’ny hetsika fambolen-kazo teny Tsiafahy, omaly, ireo. Vonona hanolo-tanana ny fitondrana mijoro ny Arema, ary handray anjara amin’ny fampandrosoana sy fanarenana ny fiainam-bahoaka.

    Mila miray hina ny rehetra mba hahafahana mametraka izany fampandrosoana maharitra ho an’ny firenena izany. Efa fanambin’ny mpanorina ny Arema, Ratsiraka Didier, rahateo ireo rehetra ireo hatramin’izay.

    Efa maro ny ezaky ny Arema. Na tsy eo amin’ny sehatra politika aza izany, eo amin’ny lafiny sosialy. Nisy, ohatra, ny fanolorana vary ho an’ireo tratran’ny kere any atsimon’ny Nosy. Eo koa ny fijerena ny hanomezana rano madio fisotro iny faritra iny, ianjadian’ny haintany mandavantaona ary tonga amin’ny tsy fahampian-tsakafo izany.

    Anisan’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro koa ny fambolen-kazo toy izao, ef fanaon’ny antoko isan-taona. Zana-kazo arivo fototra no nambolena: ravintsara, oliva… Eo koa ny ezaky ny antoko amin’ny fitakiana ny hamerenana amintsika ireo Nosy malagasy manodidina, mbola eo an-tanan’ny fanjakana frantsay.

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.