Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiofanana “Agro biologique” : hanampy an’i Madagasikara ny minisitra Stephane le Foll

    Fiofanana “Agro biologique” : hanampy an’i Madagasikara ny minisitra Stephane le Foll

    Mivoatra ny fiaraha-miasa sy ny fandraharahana eto amintsika. Fantatra izao ,araka ny fanazavan’Atoa Andrianaivo Geremioh, mpandraharaha sady mpitantarana orinasa sy toeram-piofanana ambony, fa hanampy antsika ny minisitry ny Fambolena, rano sy ala ary mpitondra tenin’ny governemanta, Stephane le Foll, amin’ny fametrahana toeram-piofanana momba ny “agroalimentaire” sy vokatra “biologique”. Anisan’ny zava-dehibe ihany koa ny fironana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiakaran’ny hafanan’ny tany sy ny toetr’andro, izay omena vahana manerana izao tontolo izao. “Hahazo tombondahiny ny Malagasy sy ny mpianatra ao amin’ny toeram-piofanana tantaniko”, hoy ny Atoa Geremioh.

    Araka ny filazan’ity farany, izay nanatrika fihaonambe iraisam-pirenena, momba ny “Open Agri Food Business” tao amin’ny AquaGeo, tany Frantsa, manana anjara toerana lehibe i Madagasikara sy ny toeram-piofanana ambony amin’ny fiaraha-miasa any ivelany. Hitsangana tsy ho ela eto amintsika ihany koa ny orinasa lehibe manao ny “packaging” izay hampidirana mpiasa manodidina ny 1.000. “Fiaraha-miasa amin’ny orinasa any Frantsa io, ary ny minisitra Stephane le Foll no hanampy amin’ny fametrahana izany”, hoy ny fanazavana.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.