Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Resaky ny mpitsimpona akotry : ity ny tavy ity ny kary

    Arahaba soa ny fijoroan’ny fikambanana “Freedom” ho antoko pôlitika mahaleontena. Mazava ny fanambarany fa mifototra amin’ny fanohanana ny tsangan-kevitra ankavia izy, arahaba fanindroany, vitsy ny antoko milaza mazava ny tsangan-kevitra tohanany ny maro moa dia mirona any amin’ny fanohanana tsangan’olona. Ny ankamaroan’ny antoko eto an-toerana koa moa dia na mikabary ny fanaovana asa fitsinjovana ny vahoaka aza dia manao pôlitika ankavanana izany hoe liberaly izay fantatra fahiny tamin’ny anarana hoe kapitalista. Ny ankavia kosa dia ireo mandrindra ny pôlitika ampihariny araky ny rafitra izay mametraka ny fampandrosoana ny vahoaka ho fototry ny asa fampandrosoana. Sakamalaho sy avozo samy manana ny hanitra ho azy. Ny vahoaka moa dia leom-boan’anan’ity natao hoe sôsialisma tsy namokatra ity tamin’ny Repoblika faharoa ka tsy tia hiherika izany intsony. Nitsapa rafitra hafa kanjo moa sendran’ny taolana ihany koa.

    Misy manahirana kely anefa eo amin’ny fihetsik’ity antoko vaovao ity, manambara moa izy fa miraiki-po amin’ny hetsika tamin’ny 2009. Iny hetsika iny dia toy ny hetsika maro milaza ho herim-bahoaka dia toa nanao fitaovana fotsiny ireo vahoaka niray dia taminy. Jereo kely anie, ny vahoaka nitafy gony, ny mpitarika sy ny tandapa ary namana mpiray vilia dia nitombo takolaka ary afaka nanararaotra nanatevina ny sompitra. Tsy ankavia mihitsy izany, ka raha mbola ireo no mpiara-dia amin’ny tolona kasaina dia sarotra ny ahafahan’io antoko vaovao io manaporofo fa pôlitika ankavia no lalana diaviny. Maro tamin’izy ireo ihany anie no efa nisintaka, nilaza fa namadika ny hetsika ny mpitondra ny tetezamita, sao ny tena no mbola nareforefo ka sodokan’ny kabary tsara lahatra, tsy ho raisina ho anatra ve izany sedra efa nandalovana izany. Ny pôlitika moa dia tsy ananana havana na sakaiza, ka tsy mety ny fanafangarona ny akoho sy ny vorona, atao toy ny an’ny mpamosavy sarahana mazava tsara ny tavy mba hampiavaka ny kary sy ny vorondolo. Efa saika resy eran-tany moa ny pôlitika ankavia, angamba noho ny tsy fahaizana nampiasa azy, na noho ny fakampanahy tsy hain’ny mpitondra notoherina, nanjaka tsy nisy mpibahana ny ankavanana nefa sady miha-sempotra no tsy mijanona mangeja ny mahantra. Sarotra anie ity lalana ankavia ity, sady mila fifehezan-tena no ankahalain’ny mpanana, na tsy maka ny any am-paosiny aza ahiahiany lalandava no nanototra ny hady izay manelanelana ny mpanana sy ny mahantra.

    Léo Raz

    Les commentaires sont fermées.