Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Basikety : tafajoro ny Tana Shooters Basket-Ball

    Basikety : tafajoro ny Tana Shooters Basket-Ball

    Tana Shooters Basket-Ball. Tafajoro ary nampahafantarina tamim-pomba ofisialy, omaly tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ity klioba sady fikambanana eo amin’ny taranja basikety ity. Tamin’izany ihany koa no nanoloran’ireo mpitantana ny Tana Shooters Basket-Ball na TSBB tarihin’ny filohany, Andriamahenina Patrick, ny “certificat de conformité” azon’izy ireo avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena tamin’ny seksiona Antananarivo Renivohitra sy ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBB).

    Araka ny fanazavana nentin’izy ireo nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly, sokajy efatra, U10 zazalahy sy U12 zazalahy ary U14 zazalahy sy zazavavy, aloha no misy sy kojakojain’izy ireo amin’izao fijoroany izao.

    Tanjon’izy ireo kosa ny hitaizana ireo tanora mpikambana izay efa mahatratra 50 mianadahy sy ireo izay mbola mikasa ny hiditra. Marihina mantsy fa efa manana fitaovana ho an’ireo sokajy ambany ireo ny TSBB, toy ny “panneau adjustable”. Manaraka izany, mikasa ny handray anjara amin’ireo fifaninanana ofisialy misy amin’ireo sokajy ananany izy ireo amin’ity taom-pilalaovana 2016 ity. Ary vonona ny handoa ny latsakemboka rehetra, araka ny lalàna mifehy ny basikety, izy ireo.

    Miary Narindra

    Les commentaires sont fermées.