Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Depiote Randrianasolo Nicolas : « Tsy mila korontana intsony ny firenena »

     « Tsy azo ekena ny fanakorontanana ny firenena. Mila fitoniana izao ny vahoaka ary ambanin’ny lalàna avokoa ny rehetra », hoy ny depiote Randrianasolo Nicolas, omaly tetsy Antaninarenina. Karazan’ny valin-kafatra ho an’ny loholona, ny Kly Lilyson René ihany izany ka nilazany fa tokony hipetraka amin’ny maha raiamandreny azy izany loholona izany. « Tokony hampitony izany fa tsy hamingampingana… Ninia tsy niteny izahay satria ilaina ny fandeferana. Tsy azo andeferana kosa anefa raha misy ny fihoaram-pefy », hoy ihany izy. Naverimberiny hatrany ny maha zava-dehibe ny fitoniana sy ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana, indrindra amin’izao handraisantsika ny fivoriana iraisam-pirenena maromaro izao. « Ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena izany », hoy izy.

    Synèse R.  

     

    Les commentaires sont fermées.