Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kaominina Antananarivo : hatsaraina sy diovina ny zaridaina

    Kaominina Antananarivo : hatsaraina sy diovina ny zaridaina

    Nosantarina tetsy amin’ny zaridainan’Ambohijatovo omaly ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny zaridaina sy ny faritra maitso eto Antananarivo izay tanterahin’ny kaominina. Mampiasa fitaovana arifomba ireo mpikarakara zaridaina amin’izany.

    Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny tanàna ary hanomezana fahafaham-po ny mponin’Antananarivo amin’ny fahadiovan’ny tontolo manodidina izao, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.

    Hitohy amin’ireo zaridaina maromaro eto an-dRenivohitra ny hetsika fanadiovana. Voakasik’izany ny eny Andohalo, Antanimena…. Tokony haverina ny fanentanana ny olon-tsotra sy orinasa amoron-dalana handravaka ny sisin-dalana manolona ny tranony amin’ny  zaridaina handravaka ny sisin-dalana.

    Hamafisin’ny kaominina ihany koa ny fanentanana ny mponina hanaja ny fananana iombonana toy ireny zaridaina ireny. Efa misy ny toeram-panariam-pako ka tokony hanaja izany ny rehetra.

    Iaraha-mahalala anefa fa ireo mpatory an-dalana sy mpirenireny no tena mahavanon-doza manao maloto eny amin’ireny zaridaina ireny. Tsy maha te hipetrapetraka izany zaridaina izany vokatry ny loto sy ny fofona ratsy ataon’ireo mpatory an-dalambe.

    Tokony ho sarotiny indrindra amin’ireny fanana iombonana ireny araka izany ny tsirairay ka hahasahy hiteny rehefa misy olona mandika lalàna sy manimbazimba ny tontolo manodidina.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.