Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Anosipatrana : tratran’ny polisy i Voalavo

    Anosipatrana : tratran’ny polisy i Voalavo

     Nidoboka am-ponja, omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Voalavo sy ny namany. Araka ny fanazavan’ny polisy, nisy namaky ny trano “salle de jeux” iray eny Ampangabe Anosipatrana, ny zoma 29 janoary 2016 lasa teo. Solosaina sy kojakoja samihafa fampiasa ao amin’ity “salle de jeux” ity no lasan’ireo jiolahy. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ao Ilanivato ny tompon-trano. Voasambotry ny polisy teny Anosizato taorian’ny fanadihadiana i Voalavo sy ny namany. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa efa nigadra teny Antanimora i Voalavo, ny taona 2014 ka vao roa volana izy no nivoaka ny fonja nefa izao namerin-keloka izao indray. Maro ny halatra efa vitany, araka ny fanazavana ary nahitana ny fandraisana anjaran’ireto jiolahy ireto hatrany teny amin’iny faritra iny.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.