Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ako Miantefa : hovelarina ny tontolon’ny sary sy ny mozika

    Ako Miantefa : hovelarina ny tontolon’ny sary sy ny mozika

    Tsy ampy intsony ny filazana fa difotry ny kolontsaina vahiny ny kolontsaina malagasy. Handray andraikitra manandrify azy ny Ako Miantefa, fikambanana ivondronana teknisianina amin’ny mozika sy sary (mpampianatra, mpitahiry, mpanao sary, mpitendry zavamaneno, mpahay tantara, sns). « Hovelarina ny tontolon’ny sary sy ny mozika. Asa maromaro no hatao. Anisan’izany ny fampianarana ireo taranjan-javakanto roa ireo », hoy Rasetamalala Lalah, filohan’ity fikambanana ara-kolontsaina ity.

    Ho an’ny fanaovan-tsary manokana, hanome fampianarana miainga any amin’ny fototra ry zareo. Hampiasa ny pensilihazo, loko rano, sns. Hampianatra momba ny fanaovana tantara an-tsary, « scénario », fitantarana amin’ny alalan’ny sary (narration graphique), sns, ny Ako Miantefa. Karazan-javamaneno maro toy ny valiha, « flûte », « violon », sns, miaraka amin’ny solfezy kosa no hampianarin’izy ireo amin’izao vao manomboka izao.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.