Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Antananarivo-Renivohitra : mpiasan’ny kaominina 200 naato amin’ny asany

    Antananarivo-Renivohitra : mpiasan’ny kaominina 200 naato amin’ny asany

    Ny talata teo, nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra fa hatsahatra amin’ny asany ireo mpiasa manana fifanaraham-piaraha-miasa ao anatin’ny fotoana fohy (ECD).

    Mahatratra 200 mahery ireo mpiasa naato amin’ny asa ireo. Voalazan’ny tatitra fa noho ny fandaminana tsy maintsy atao eo amin’ny kaominina no anton’izao fampitsaharana ny mpiasa marobe amin’ny asa izao.

    Nambara ihany koa fa tsy hohavaozina intsony ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ireo mpiasa natsahatra ireo. Manomboka amin’ity volana febroary ity, araka izany, tsy mpiasan’ny kaominina intsony ireo mpiasa 200 mahery ireo.

    Nilaza ny tompon’andraikitra fa nisy ny fandaminana manokana ho an’ireo mpiasa ireo mikasika ny karaman’izy ireo izany hoe iray volana ao aorian’ny volana iasana no hanomezana ny karaman’izy ireo.

    Nisy koa anefa ny fampanantenana natao an’ireo mpiasa ireo fa rehefa misy ny fandraisana mpiasa izy ireo no voalohan-daharana araka ny mari-pahaizan’nyy tsirairay avy sy ny olona izay ilain’ny kaominina.

    Anisan’izany ny fandraisana ireo polisy monisipaly izay tsy maintsy tanterahina satria  zava-dehibe tokoa ny fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina. Nentanina ny mpiasa mba handray anjara amin’ny fifaninanana hidirana ho polisy monisipaly ka ho tonga mpiasa raikitra eo anivon’ny kaominina amin’izay.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.