Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ilakaka : mandrahona ny  hamaly faty ireo dahalo

    Ilakaka : mandrahona ny  hamaly faty ireo dahalo

    Miverina amin’ny laoniny amin’ny ankapobeny, ny filaminana any Ilakaka taorian’ilay fanafihana nataon’ny dahalo ny 2 febroary lasa teo iny, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antanamary sy Ilakakabe. Mandeha kosa anefa ny feo any an-toerana fa mety hanao valifaty amin’ireo tanàna ireo ny dahalo. Raha ny vaovao voaray, nisy fanafihana tahaka ilay nitranga farany teo tany Antezabe, ny 8 janoary lasa teo. Omby 190 lasan’ireo dahalo tamin’izany, saingy tafaverina avokoa rehefa nanao ny fanaran-dia ny fokonolona sy ny zandary. Tafaverina avokoa ireo omby rehetra, ary tamin’izay no nisy ny fandrahonana ny hamaly faty tao amin’ny tanànan’Antanamary, ary izao nitranga izao ny fanafihana. Fanaon’ireo dahalo ny mamaly faty ary misy ny fanafihana ataony mety ho amin’ny tanana mifanila na toy izany. Efa vonona amin’izay zavatra mety hitranga ny zandary any Ilakaka. Toy izany koa ireo fokonolona manome tanana ny mpitandro filaminana amin’ireo tanàna isehoana fanafihan-dahalo matetika.

    Araka ny fampahatsiahivana nataon’ny zandary, dahalo 56 no nanafika tany Antanamary, kaominina Ilakakabe, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Kalachnikov roa sy basim-borona marobe ny nampiasain’ireo olon-dratsy ireo. Omby 400 nalainy ary nandoro trano izy ireo. Nanohitra ny fokonolona, izay nampian’ny fokonolona tamin’ny tanàna manodidina mandra-pahatonga ny zandary. “Fokonolona enina naratra tamin’izany ka ny iray, maty mihitsy”, hoy ny fanazavan’ny zandary. Nanenjika ny zandary taorian’izay, ka tany Antezabe, atsimon’Isalo ireo dahalo no nifandona tamin’ny zandary. Araka ny tatitry ny zandary, dahalo 12 maty, olon-tsotra dimy maratra, trano dimy may, basim-borona roa azo. Miandry izay ho tohin’ny raharaha ny rehetra.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.