Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Jao’s Pub : hiverina i Vaiavy Chila

    Jao’s Pub : hiverina i Vaiavy Chila

    Naharitra ela ny fihodinana nataon’i Vaiavy Chila tany amin’ireo Nosy manodidina, indrindra ny tao Mayotte ny volana desambra lasa teo. Vantany vao nigadona teto an-tanindrazana, tonga dia nantao ny fitetezam-paritra tany Analanjirofo izy sy ny tariny tamin’iny volana janoary iny. Fantatra kosa izao fa manome fotoana ireo mpankafy azy eto Antananarivo indray ity mpanjakavavin’ny “salegy mahangôma” ity, anio manomboka amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Jao’s Pub Ambolonkandrina.
    Fihaonana voalohany, fifampiarahabana noho ny taona vaovao io, raha ny nampitain’ity mpanakanto ity. “Efa ho roa herinandro izao no nanomana ity fihaonana ity izahay, satria mila manomboka amin’ny zavatra miavaka foana eto an-dRenivohitra”, hoy ny fanazavan’i Chila. Eo am-panomanana ny fitondrana an-tsehatra ireo vaovao rahateo ny tarika, manomboka any amin’ny mpitendry hatrany amin’ireo mpandihy.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.