Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toamasina : mpitsara roa lahy nifamely totohondry

    Lasa raharaha hafa manokana ny miseho eo anivon’ny sampam-pitsarana ao Toamasina taorian’ny famakiana bantsilana tamin’ny alalan’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny mpitsara misotro ronono, Randriamanantena Jules, tapa-bolana lasa izay momba ny raharaha maizina ataon’ny mpitsara sasany eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ambony ao an-toerana. Vokany, raikitra ny fifamaliana tamin’ny mpitsara roa afakomaly teo an-tokotanin’ny fitsarana. Samy niakatra ny mari-pana teo amin’izy roa lahy ary niafara tamin’ny totohondry izany. Naratra ny tarehin’ny iray vokatr’izany ary milaza ny hitondra ny raharaha eo anivon’ny famotorana ilay naratra. Raha ny loharanom-baovao, nisy fitarainan’ ny mpitsara sasany tany amin’ny “Adopt” noho ireto farany heverina ho raiamandreny mahasolo tena ny faritanin’ i Toamasina ka ho afaka handamina na koa hitondra ny raharaha isaky ny ambaratongam-pahefana misy eto amin’ny Nosy ary tamin’izay indrindra no nahatonga ilay mpahay lalàna, Randriamanantena Jules ho namaky batsilana ireto heverina ho fomba fiasa maizina eo anivon’ny fitsarana. Fantatra fa raha nisy antontan-taratasin’ady noraisin’ny mpitsara iray naratra etsy ambony izay nampidiran’ity farany olona am-ponja vonjimaika, navoakan’ilay mpitsara iray namely totohondry indray izany ka teo ny nahatonga ny lonilony.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.