Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « Hackathon Panafricain » : hanatrika ny famaranana ny Malagasy

    Voasivana handray anjara amin’ny lalao famaranana « Hackathon Panafricain », ny mpianatra malagsy efatra avy ao amin’ny IT University. Miray ekipa Rafalimanana Rotsy, Andriamamonjy Karen, Razafindrakoto Jary, Andrianarijaona Harifetra, hifaninana amin’ny lafiny Teknolojian’ny informatika sy ny serasera (Tic). Lohahevitra noraisin’ny orinasa Société générale, renin’ny BFV-SG eto amintsika, mpikarakara ny fifaninanana, ny hoe « Ho bankim-pifandraisana sy fitaratra ». Omena vahana ny startups sy ny développeurs malagasy ny banky, hivelatra bebe kokoa amin’ny sehatry ny famoronana sy ny fampivoarana ny tontolon’ny Tic.

    Valo ireo ekipa handray anjara amin’ny famaranana, hihaona ny 10 febroary ho avy izao. Hahazo 8.000 euros ny voalohany, 4.000 euros ny faharoa ary 2.000 euros ny fahatelo. Afaka manapa-kevitra ny mpitsara avy amin’ny Société générale raha hotohanana ny fanatanterahana ny tetikasan’ireo kandidà.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.