Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fahatsiarovana ny 7 febroary : rakotry ny Emmo/Reg tanteraka Ambohitsorohitra

    Fahatsiarovana ny 7 febroary : rakotry ny Emmo/Reg tanteraka Ambohitsorohitra

    Nilamina ! Tsy nisy nidila amin’ny toromarika fa nizotra tsy toy ny tamin’ny taon-dasa ny fahatsiarovana ny 7 febroary, omaly teny Antaninarenina. Rakotry ny Emmo/Reg, miaraka amin’ny fiara 4×4, teny amin’ireo toerana saropady sy ny faritra mena eny Antaninarenina rehetra iny, vao maraina. Niatrana sy nilahatra amin’ireo lalana fidirana ny manodidina ny lapa izy ireo ka tsy nahafahan’ny fiara na olon-tsotra miditra. Nandalo sakana sy fifampiresahana amin’ny mpitandro filaminana ireo hametraka fehezam-boninkazo vao miroso. Nomena toromarika, koa ny mpanao gazety.

    Ankoatra izany,  maro kokoa noho ireo olona tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana.

    Hentitra ny Prefet sy ny Jly Rakotomahanina Florens

     

    Nirava izy ireo tamin’ny 12 ora rehefa nahavita nanao ny adidiny avokoa ireo tokony ho nanao izany teo amin’ny tsangambaton’ny 7 febroary.

    Tsiahivina fa hentitra ny mpitandro filaminana sy ny eo anivon’ny prefet nialoha ny omaly. « Tsy misy mandahanteny, ialana amin’ny fifampihantsiana sy fifandrangitana. Ferana ho 10 minitra ihany ny fotoana. Lasa aorian’ny fametrahana ny fehezam-boninkazo. Faritra mena avokoa ny eny », hoy ny Jly Rakotomahanina Florens, afakomaly tetsy Ankadilalana. Nanamafy izany rahateo ny prefet, Randriamananjara Gabriel.

    Synèse R. sy Njato Hervé

    Les commentaires sont fermées.