Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Filoha teo aloha, Ravalomanana : « Tsy miampanga na iza na iza aho »

    Filoha teo aloha, Ravalomanana : « Tsy miampanga na iza na iza aho »

     Nitondra  fanazavana momba ny « Raharahan’ny 7 febroary » ny filoha teo aloha, Ravalomanana. « Tsy miampanga na iza na iza aho hoe iza no nitifitra, notifirina, nanome baiko sy ny nobaikoina… Tsy azo afenina ny marina ary tsy meloka aho. An-dry zareo ny fanamelohana ahy ho faty … Ny olana eto, samy mihevitra ho manana ny marina avokoa ary tsy mifampatoky. Mila mihavana isika raha te handroso », hoy izy teny Imerinkasinina, ny asabotsy teo raha namboly hazo eny ny Tim. Nanteriny ho anisan’ny tsy fifampitokisana ny tsy fahatongavan’ny volan’ny mpamatsy vola. « Ny vahoaka tsy manaja ny mpitondra. Ny mpitondra, miziriziry amin’ny heviny. Tsy matoky antsika ny mpamatsy vola… », hoy ihany izy.

    Notsikerainy avy eo ny fifidianana loholona farany teo ka nilazany fa tsy olana ho azy raha tahaka ireny no nandresen’ny HVM. Nohitsiny fa tsy mbola nisy fifidianana ratsy tahaka iny. « Tsy manara-dalàna sady aza manantena fifidianana mandeha amin’ny laoniny izany intsony », hoy ny filoha teo aloha.

    Notanisainy koa ireo tranga niseho tato ho ato teto amin’ny firenena ka nilazany fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny zava-drehetra eto.

    Ankoatra izany, nambarany fa tsy mahazaka fanoherana izao fitondrana izao. Mbola ho avy anefa ny fotoana hanoheran’izy ireo.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.