Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Solika : hipoka tanteraka ny AFT, hisy ny famerenana

    Solika : hipoka tanteraka ny AFT, hisy ny famerenana

    Tarika anisan’ny zokiny eo amin’ny fivoizana ny kalon’ny fahiny sy ny hira teatraly ny Solika. Nahasarika mpijery maro ny seho nataony ny faran’ny herinandro teo…

    Hipoka tanteraka ny Alliance française Antananarivo (AFT) nandritra ny fampisehoana an-tsehatra nataon’ny tarika Solika ny zoma teo. Tonga marobe ny mpijery izay nahitana ny sokajin-taona rehetra. Kalon’ny fahiny anisan’ireo tsy afaka am-bavan’ny olona rahateo no nanakoako niala avy eny an-tsehatra. Nanongilan-tsofina, nihira moramora… Nanaraka mafy avy eo… Faranana amin’ny tehaka vokatry ny fo finaritra.

    Tsikaritra teny an-toerana fa manomboka miverina tsikelikely ny fahafantaran’ny Malagasy ny kalon’ny fahiny na ny hira teatraly. Ray aman-dreny maro no nitondra ny zanany. Tsy vitsy ireo tanora tonga nijery sy liana tamin’ny figadon’ny piano, fiakon’ny angola, figobon’ny beso, ny firindran’ny teny malagasy indrindra indrindra.

    Hisy ny seho famaranana

    Marobe ny tsy nahazo tapakila. Fantatra fa haverina ny 19 febroary izao ity fampisehoana ity. Anisan’ny heno nandritra ny seho rahateo io fangatahana famerenana io. Mila ezaka mitohy ny tahaka izao satria fotoana efa tokony hamerenana indray ny lanja aman-kasin’ny kalon’ny fahiny ny vanim-potoana misy ankehitriny. Ankoatra ny maha fialamboly azy, manampy indrindra amin’ny fanabeazana sy fikolokoloana ny maha olona ny karazan-kira tahaka itony ka tsara henoina sy jeren’ny maso matetika.

    … Ezaka mbola takina amin’ny tarika miangaly ny kalon’ny fahiny ny hanatontosan’izy ireo rakikira na rakitsary mba hahazoan’ny taranaka any aoriana mahafantatra ny kolontsainy ka tsy hisonenika eo ambonin’ny kolontsain’ny hafa !

    HaRy Razafindrakoto

     

    Les commentaires sont fermées.