Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsy tokony hampiditra mpampianatra Fram intsony

    Tsy tokony hampiditra mpampianatra Fram intsony

    « Tsy tokony handray mpampianatra Fram vaovao intsony ny sekoly amin’izao fotoana izao satria efa misy ny olona vita fiofanana eny amin’ny sekoly manokana », hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rabary Paul, ny zoma teo, teny Faravohitra. Nandray mpampianatra Fram 20 000 ny fanjakana ka tokony ho ampy amin’ny filana ireo. Raha misy ny fandehanan’ny mpampianatra misotro ronona, anjaran’ny minisitera ny manolo izany hampihodina tsara ny fampianarana. Hitohy ny fandraisana mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana ny volana septambra. Hiova kely ny fomba fandraisana, hiainga eny ifotony ny fakana ny anarana. Atao ampahibemaso izany ka manatrika eo avokoa ny olona mpanapaka eo an-tanàna (fokontany, Dren, Cisco, Zap… Bianco) sy ny sendikàn’ny mpampianatra raha misy solontena. Tsy hisy intsony ny fanakianana ao satria mangarahara tsara ny resaka rehetra. Mivoaka avy hatrany ny lisitra raikitra. Hahazo vahana kokoa amin’ny andiany fahatelo ny mpampianatra 45 taona noho miakatra sy 50 taona noho miakatra. 20 000 ny mpampianatra efa voaray amin’ny 75 000 miasa eny amin’ny EPP, CEG sy lycée.

    Nozaraina omaly ny antontan-taratasy fifanarahana momba ny asa teo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny mpampianatra 1 148 voaray eto amin’ny Cisco 20 anatin’ny Dren Analamanga. Notokanana, nandritra ny fizarana ny antontan-taratasy, koa ny fanazaovana ny lycée Jules Ferry Faravohitra.

    Vonjy

     

    Les commentaires sont fermées.