Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Filoha Rajaonarimampianina : “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny kere”

    Filoha Rajaonarimampianina : “Aoka tsy hatao fitaovana politika ny kere”

     Tsy nitsitsy fitenenana. Nidina ifotony nijery ny zava-misy any atsimon’ny Nosy momba ny kere ny filoha Rajaonarimampianina, omaly. Nohararaotiny namelezana ireo mpanao politika sasany izany.

    Misy ireo olona manao fitaovana politika ny kere ary aseho amin’ny gazety. Fa angaha Rajaonarimampianina no nahatonga izany ? Olona efa nitondra ireny. Inona ny nataony ? Mitondra vola kely sy rano kely fa ny antsika, manorina fotodrafitrasa maharitra. Mba nanomboka ny sasany fa tsy notanterahina. Ny antsika ny natomboka  hovitaina”, hoy izy tany Beloha sy Ambovombe. Nametraka fotodrafitrasa  maharitra ho fanatsarana ny famatsian-drano ao anatin’ny distrika ny ny tenany, hampihenana ny fampiasana solika amin’ny famokaran-drano ao Ampotaka. Napetraka amin’izany ny fitaovana hamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. “Nametraka ary mbola hametraka fotodrafitrasa maro aty atsimo isika mba hialana amin’ny kere sady ho vahaolana maharitra “, hoy izy tamin’ny mpanao gazety tao Toliara. Hahazo tombony amin’izany ireo faritra maro any atsimon’ny Nosy. Nampanantena “groupe electrogéne” hialana amin’ny delestazy koa ny filoha. Hamboarina ny lalana ary hahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny any an-toerana. Hapetraka  ny toeram-pandidiana ary hamboarina ny kianja. Hotohizana ny fanatsarana ny fiompiana osy.

    Ankoatra izany, nizara sakafo hanampiana ny vahoaka tratry ny kere ny filoha Rajaonarimampianina. Nohamafisiny fa tsy marina ny feo miely momba ity kere ity. “Tsy misy olona maro matin’ny kere amin’ireo toerana nolalovanay. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’ny toerana hafa hijerena izany eny ifotony. Hatreto aloha, tsy mitombina ireny sary miparitaka ireny”, hoy ihany izy.

    CMS sy Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.