Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kalo an-gitara : hamelombelona ireo hiram-pitiavana ny Zandry Gasy

    Kalo an-gitara : hamelombelona ireo hiram-pitiavana ny Zandry Gasy

    Hiaka-tsehatra voalohany ny tarika Zandry Gasy amin’ity taona ity. Manome fotoana ireo mpankafy ny hira gasigasy an-gitara indray ry zalahy, ny zoma 12 febroary izao, manomboka amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. “Hikoriana mandritra io fotoana io ireo hiram-pitiavana, araka ny fanaovan’ny Zandry Gasy azy”, hoy ny nambaran’i Mbola Talenta. Ankoatran’ny hiram-pitiavana anefa, anisan’ny nahafantarana sy mampiavaka an’ity tarika ity koa ny famelomana ireo hira natoritory, tsy dia henoheno firy, kanefa mamerina tsiahy hatrany. Anisan’ireny ny sanganasan-dry Rasitefa, Riambetso, tarika Vintsy, Kiki sy Nirina, Maurice Razafy, sns. Tsy voatery ireo hira milantolanto na faheno mahazatra amin’ny gitara koa anefa. Mamelona ny sanganasan-dry Jaojoby, Fenoamby, sns, amin’ny alalan’ny gitara sy ny feo ravahan’amponga ihany koa ry Mbola, Hoby, Fitahiana, Ony ary Litsa.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.