Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    LSFM : hojerena ny olan’ny maso vokatry ny diabeta

    Ankoatra ny fandraisana ny olona voan’ny katarakta, hijery akaiky ny olona tratran’ny diabeta ka niteraka olana amin’ny fahitana eo aminy ny fikambanana Lions Sight First Madagascar (LSFM), hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana Rabenjamina Olivier, omaly. Raha tsy ara-potoana ny fitiliana ny aretina eo amin’ilay marary, mety ho lasa jamba tanteraka izy. Efa misy ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana Amadia, mpikarakara ny olona mitondra ny toe-batana diabetika, ny Salfa ary ny sampana mitsabo maso ao amin’ny HJRA. Mampiasa « laser » amin’ny fitsaboana ary lafo ny fitaovana sy ny fanafody kirakiraina, saingy hiezaka hijery ny vidiny zakan’ny sarambabem-bahoaka ny fikambanana. Ho an’ny fandidiana katarakta, 10 000 Ar ny vola takina amin’ny olona iray tena sahirana mila fandidiana. 50 000 Ar kosa ho an’ny olona antonony. Andaniana vola hatramin’ny 100 dolara ny olona iray (eto amintsika) raha 1 000 dolara ny tena saran’ny fandraisana an-tanana ny fandidiana raha tsy misy ny fanampiana samihafa. Isam-bolana mandidy olona voan’ny katarakta 200 manerana ny Nosy. Raha efatra monja ny mpandidy maso ny taona 1998, misy 40 nivoaka avy amin’ny oniversiten’Antananarivo nahazo ny diplôme universitaire de chirurgie oculaire, amin’izao fotoana izao. Miasa amin’ny hopitalim-panjakana sy tsy miankina izy ireo, mandidy momba ny maso. Hatramin’ny taona 1998 noho mankaty, 67 000 olona voadidy. 50 isan’andro ny olona tonga mizaha maso eny amin’ny LSFM, HJRA.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.