Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Andranofeno : maro lafy ny fotodrafitrasa ho an’ny sahirana

    Hotokanana anio ny fotodrafitrasa maro lafy izay vita eny Andranofeno Atsimo, toerana itobian’ireo fianakaviana sahirana sy rava trano nandritra ireny fandalovan’ny rivodoza tamin’ny taon-dasa ireny Tafiditra ao anatin’ny asa vita zato andro andiany faharoa nataon’ny minisitera maromaro miandraikitra ny sehatra sosialy ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ireo. Natsangana ny trano honenan’ireo fianakaviana nanapa-kevitra ny hihary eny an-toerana. Ankoatra izany, vita ihany koa ny fotodrafitrasa mamatsy ny rano fisotro madio ho azy ireo. Tanjona ny hahasalama ny ankohonana indrindra ireo reny sy zaza izay anisan’ny betsaka eny an-toerana. Vita koa ny ivontoeram-piofanana hahafahan’ny fianakaviana mianatra asa. Tanjona ny hahaizan’ny reny sy ny raim-pianakaviana ary ireo tanora asa hahafahany mivelona sy mahaleo tena eo amin’ny famelomana ny ankohonany. Tsy diso anjara ireo ankizy satria hotokanana miaraka amin’ireo rehetra ireo ny toerana filalaovan’izy ireo (sahan’ny ankizy) hahafahany mivelatra ara-batana sy ara-tsaina.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.