Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Manomboka anio : hihatsara ny toetry ny andro

     Hihatsara ny toetry ny andro manerana ny Nosy manomboka anio. Hidina ny habetsahan’ny rotsak’orana ho an’ny efatra andro manaraka. Ahina kosa anefa ny oram-baratra eto afovoan- tany sy ny faritra atsimo atsinanana vokatry ny fisian’ny andro ratsy fahefatra ao amin’ny ranomasina Indianina. Ahina ny mety ho fiakaran’ny rano vokatr’izany amin’ny distrikan’i Betafo, Faratsiho, Antsirabe, Ambatofinandrahana, Manandriana, Mahanoro, Nosy Varika, Mananjary, Manakara, Vohipeno, Farafangana, Vangaindrano ary Taolagnaro.

    Momba ny toetry ny andro anio, ho mafy hatrany ny tsokan-drivotra amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’i Madagasikara. Handrahona ny andro any Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra-Mangoro, Analamanga, Itasy ary ny ilany atsinanan’i Bongolava. Hanorana malefaka na matevina amin’ny faritra Vatovavy-Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Anosy ary Androy. Hanorana tandrifin-drahona arahin-kotroka any Sava. Hifandimby ny rahona sy ny masoandro amin’ny faritra sisa.

    Hiakatra manomboka anio ny maripana ambony indrindra, ambany rahateo ny tsindrin’ny atmosfera.

    Vonjy  

    Les commentaires sont fermées.