Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Sarimihetsika : hisy komity mpanohana ny RFC

    Sarimihetsika : hisy komity mpanohana ny RFC

    Havondrona anaty komity ireo rehetra vonona ny hanohana ny « Rencontres du film court » (RFC), hetsika miompana amin’ny horonantsary fohy ary fanao isan-taona eto amintsika. Izay no anisan’ny misongadina manomboka amin’ny andiany faha-11, hatao ny 15 hatramin’ny 23 avrily izao eto Antananarivo.

    Mihamivelatra hatrany ny tanjon’ny RFC. Amin’izao fotoana izao, anisan’ny kendren’ny mpikarakara ny hahamatihanina kokoa ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Eo koa ny hananan’ny sarimihetsika malagasy toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

    Mitaky fanampiana sy fiaraha-miasa amin’ny mpankafy sarimihetsika, ireo vonona ny hanondrotra ny mpanan-talenta malagasy, olon-tsotra na fikambanana, sns, izany. Izay indrindra no antony hananganana ity komity mpanohana ity.

    Marihina fa ireo manome fanampiana na « mécénat » fa tsy fiahiana na koa « parrainage » no ho tafiditra ao anatin’ity komity ity. Hisy fankasitrahana ho azy ireo ka misy sokajy dimy izany, arakaraka ny fanampiana ara-bola hatolotr’izy ireo : « Corne de topaze », « Corne de saphir », « Corne de rubis », « Corne d’émeraude » ary ny « Corne de diamant ».

    Tsy ho voakasik’izany fankasitrahana izany ireo manolotra zavatra hanampiana ny RFC, araka ny fanazavana avy amin’ny mpikarakara.

    Landy R.

    Les commentaires sont fermées.