Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Na eo aza ny fifaninanana… : vonona sy nametraka fanamby goavana ny Les Nouvelles

    Na eo aza ny fifaninanana… : vonona sy nametraka fanamby goavana ny Les Nouvelles

    Lanonana tsotra nefa nanana ny lanjany, eo amin’ny tantaran’ny Vondron-gazety Ultima Media, no notanterahina, omaly tetsy amin’ny Café de la gare, Soarano. Fotoana nanehoana ny fahavononana, ny fanamby hiatrika ny fifaninanana izay mahazo vahana tokoa eo amin’ny tontolon’ny fampahalalam-baovao ankehitriny. Nifantohan’ny fotoana manokana ny gazety Les Nouvelles. Nampahafantarina ireo vahiny nasaina (mpamaky tsotra, namana, mpandraharaha amin’ny sehatra samihafa, masoivoho vahiny…) tamin’izany lanonana izany ny fomba famokarana ny gazety, manomboka amin’ny famolavolana hatramin’ny fivoahany eny amin’ny tsena sy eny am-pelatanan’ny mpamaky. Nasongadina tamin’izany koa ny endrika vaovao hisehoan’ny gazety, noho ny fisian’ireo « rubriques » vaovao samihafa, nandrasan’ny mpamaky (bien-être, alimentation, auto-moto, maison…). Naseho ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mpamaky, olon-tsotra, mpandraharaha, mpanakanto… Nisongadina tamin’izany fa gazety manana ny mampiavaka azy, misongadina amin’ny gazety hafa ny Les Nouvelles. Vonona hiatrika sy hifampitana amin’ny mpifaninana aminy. Fanamby goavana !

    Les commentaires sont fermées.