Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

     « Salon des Arts 2016 » AJA : anisany hitsara i J.A. Ravelona

     « Salon des Arts 2016 » AJA : anisany hitsara i J.A. Ravelona

    Tanterahina ao amin’ny Espace culturel Malraux  (Joué-Lès-Tours) any Frantsa ny « Salon des Arts 2016 » karakarain’ny Association Jocondienne des Arts (AJA). Anisan’ny nasaina manokana hanatrika izany ilay andrarezin’ny hosodoko malagasy, Jean Andrianaivo Ravelona. Hotsaraina anio ny sanganasa rehetra nandray anjara ka anisan’ny handray anjara amin’ny fitsarana ihany koa izy.

    Ankoatra an’i Jean Andrianaivo Ravelona, nasaina manokana koa i Jacques Louis (mpanao sokitra) sy Michèle Girard, havanana amin’ny « aciers flammés ». Anisan’ny fepetra isafidianan’ny mpikarakara ny vahiny asaina manokana tahaka izao ny fahazoana loka maro tamina « salon » natrehiny. Mpanakanto efa manana ny maha izy azy amin’ny fahalalan’ny olona azy.

    Marihina fa hosokafana rahampitso ity fampirantiana lehibe ity ka tsy hifarana raha tsy ny 21 febroary izao.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.