Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fenoarivo Atsinanana : vita ihany ny tetezana Marokiso

    Fenoarivo Atsinanana : vita ihany ny tetezana Marokiso

    22 taona aty aoriana, vita ihany ny tetezana Marokiso, tapaka hatramin’ny taona 1994. Anisan’ny mampifandray fokontany maro eo amin’ny kominina ambonivohitr’ i Fenoarivo Atsinanana ity tetezana ity. Lasa tetezana fampiasan’ ireo mpanao politika ho fakana vato nandritra ny fifidianana rehetra nifandimby teo ity tetezana ity. “Raha lany eo izahay, hamboarina ny tetezana ao Marokiso“, hoy izay rehetra nanao fampielezan-kevitra tao Fenoarivo Atsinanana nandritra izay 22 taona izay.

    Nandritra ny fanadihadiana natao teny an-toerana, nilaza ny lehiben’ny faritra, Ramarson Jacques, sy ben’ny Tanàna, Franck Rico Mananjara, fa tsy nisy afa-tsy ny fampanantenan’ny filohan’ny Repoblika, Rajaonarimampianina Hery irery no nahazoana izany. « Notanterahin’ny minisiteran’ny Asa vaventy ny asa vao afaka olana ny mponina ka isaorana ny filoha », hoy izy ireo nitafa tamin’ny mpanao gazety tamin’ny fandraisana ara-teknika ny tetezana ny alakamisy lasa teo. Nohamafisin’ny lehiben’ny faritra hatrany fa horaisin’ izy ireo an-tanana ihany koa ny fitaterana ireo fitaovana hanamboarana ny tetezana mankao amin’ny seranam-piaramanidina Maroantsetra. Ho an’ny ben’ny Tanàna manokana, hapetraka tsy ho ela ny toeram-pitsangantsanganana sy fialamboly manara-penitra eny amoron-dranomasina “La piscine” sy fanatsarana ny tsena manamorona ny araben’ny Fahaleovantena.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.