Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

     Team Safelika : hihodina an’i Madagasikara ny « Miara-mifety jiaby »

     Team Safelika : hihodina an’i Madagasikara ny « Miara-mifety jiaby »

    Taorian’ilay seho goavana tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny 13 desambra teo, mahatratra 40 ny fampisehoana hotontosain’ny Team Safelika manerana ny Nosy. Hahitana hetsika mandritra ny roa andro isaky ny toerana lalovany ny « Miara-mifety jiaby ».

    Ny andro voalohany, atomboka amin’ny « carnaval » lehibe hotarihin’ireo mpilalao sarimihetsika. Tohizana amin’ny fampisehoana natokana ho an’ny olona mahatratra 10.000 ny tolakandro. Ny andro faharoa, hanaovana ireo asa soa (araka ny filana sy ny zava-misy eo amin’ny faritra lalovana no hamaritana ny asa hatao) iarahana amin’ireo mpankafy mivondrona ao amin’ny Fan’dio.

    Hivelatra amin’ny « Co-branding »

    Hoporofoin’ny mpikarakara amin’ny alalan’ny « Co-branding » fa mifameno tsara ny zavakanto sy ny fandraharahana. Mandritra ny « carnaval » no hanehoan’ireo orinasa miara-miasa amin’izao hetsika izao ny vokatra ao aminy sy ny momba azy. « Hanatanteraka « giga roadshow » mihitsy izahay amin’io satria hanatona vahoaka ny zavakanto sy ny fandraharahana sy ny mpandraharaha », hoy ny tompon’andraikitry ny orinasa Scoop Digital. Fantatra fa 28 marsa izao no manomboka ny « Miara-mifety jiaby ».

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.