Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Halatra nikela tao Ambatovy : nidoboka ao Ambalatavoahangy ilay Poloney Maciek Pankocsky #canada #sherrit #ambatovy

    Halatra nikela tao Ambatovy : nidoboka ao Ambalatavoahangy ilay Poloney Maciek Pankocsky #canada #sherrit #ambatovy

    Fampidirana am-ponja vonjimaika (mandat de dépôt) ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy, Toamasina an’ilay teratany Poloney, Maciek Pankocsky. Izay no didy navoakan’ny mpitsara mpanao famotorana, ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Toamasina, omaly, mikasika ilay « Raharaha halatra nikela » an’ny orinasa Ambatovy. Tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro teo ho eo no tonga nampiditra ireo antotan-taratasim-panenjehana ny voarohirohy tao amin’ny fampanoavana ny zandary avy ao amin’ny borigady misehana ny fikarohana sy ny heloka bevava, ao Toamasina. Tamin’ny 5 ora tolakandro teo ho eo vao vita izany, ka avy hatrany dia izao, nofonjaina vonjimaika (M.D) ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy izao. Tsiahivina fa halatra nikela tao amin’ny orinasa Ambatovy, efa hatramin’ny taona 2014 no nanenjehana sy nahavoarohirohy ity teratany Poloney, Maciek Pankocsky ity.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.