Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Minisitra Atallah Béatrice : « Manomana ny Comesa koa isika… »

    Minisitra Atallah Béatrice : « Manomana ny Comesa koa isika… »

     Handray vahiny marobe ! « Manomana ny fihaonana an-tampon’ny Comesa koa isika sady akaiky izany satria hatao ny volana oktobra izao. Mialoha izany, ho avy eto amintsika tsy ho ela hiara-kijery ny fanomanana izany ny sekretera jeneralin’ny Comesa », hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice, omaly tamin’ny haino aman-jery. Mbola alohan’izany koa anefa ny fivorian’ireo parlemantera eo anivon’ny Frankofonia, hatao eto amintsika ny volana jolay ho avy izao, araka ny nambarany. « Efa tafiditra amin’ny fanomanana izany ny fanofanana ireo mpiasan’ny minisiteranay sy ny avy amin’ny sehatra hafa momba ny arofenitra » , hoy ihany izy.

    Ny farany nefa koa anisan’ny lehibe indrindra ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia hatao eto Antananarivo. Tsiahivina anefa fa nahemotra herinandro izany, tsy araka ny nanapahana azy tany aloha. Anton’ny fanemorana, araka ny voalaza, ny fivoriana hatrehin’ireo filoham-panjakana na lehiben’ny governemanta avy amin’ny firenena sasany, amin’io fotoana efa voatondro mialoha io. Tsy manova ireo tetiandro samihafa efa nofaritana amin’ny fanatanterahana ireo fotodrafitrasa samihafa anefa izany.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.