Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rugby eran-tany : laharana faha-41 ny Makis de Madagascar

    Rugby eran-tany : laharana faha-41 ny Makis de Madagascar

     Namoaka ny filaharan’ireo firenena mpikambana ao anatiny ny federasiona iraisam-pirenen’ny rugby na ny World rugby, omaly alatsinainy. Eo amin’ny laharana faha-41 no misy ny Makis de Madagascar. Araka ny fanadihadiana, tsy nihetsika tamin’izany toerany izany ny ekipam-pirenena malagasy, izay manana isa 48, 71. Tafiditra ao anatin’ny “Top 50” eran-tany izany ny Makis de Madagascar.

    Voalohany amin’ny firenena afrikanina kosa i Afrika Atsimo, izay laharana fahatelo, eran-tany, arahin’i Kenya, eo amin’ny laharana faha-28 ary i Zimbaboe, faha-31 ary Tonizia faha-39.

    Mbola mitana ny voalohany eran-tany kosa ny All Blacks, avy any Nouvelle-Zelande, manana isa 96.10 ary faharoa ny Wallabies-n’i Aostralia, amin’ny isa 89, 33. Niakatra kely kosa ny laharan’i Angletera sy Frantsa izay lasa fahenina sy fahafito. Very toerana roa kosa i Irlande, izay lasa fahavalo raha fahenina teo aloha. Ireo firenena ireo izay miatrika ny “Tournoi des six nations”, amin’izao fotoana izao.

    Fahasivy ry zareo Japoney, ary mamarana ny “Top 10” ny Nosy Fidji.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.