Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Vonjy aina : orinasa faha-151 manome ra ny DHL

    Vonjy aina : orinasa faha-151 manome ra ny DHL

    Orinasa faha-151 manome ra an-tsitrapo ny foibe fitehirizana ra eny amin’ny HJRA ny DHL Madagascar, omaly.

    Tafiditra amin’ny sehatra Go help ny fanomezana ra maimaimpoana hamonjena aina, izay notarihin’ny tale jeneralin’ny orinasa, Rakotondraibe Mamy. Hetsika fisantarana ny omaly ary nandraisan’ny olona maro anjara amin’ireo mpiasa 170 eto Antananarivo. Natao mifanandrify amin’ny fanamarihina ny andron’ny fitiavana ny fanomezana ra ho an’ny marary. Iray volana ny fanentanana ny mpiasa rehetra ka 15 no vonona teny am-piandohana, nitombo an-dalana ny isa.

    Orinasa mandray andraikitra amin’ny fiarahamonina ny DHL izay voizina amin’ny sampana telo : Go help, Go green ary ny Go teach iarahana amin’ny fikambanana SOS Village d’enfants.

    « Ampiasaina ho an’ny marary mila ra maika eny amin’ny sampana vonjy taitran’ny hopitaly ny ra azo avy amin’ny fanangonana atao tahaka izao », hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny foibe fitehirizan-dra, Andriamitantsoa Julien. 100 isan’andro ny kitapo vonona ao amin’ny foibe saingy indraindray mitombo ny filana ka tsy maharaka. Tsy ampy matetika ny kalitaon’ny ra ilaona maika ohatra ny ra manana rhésus négatif (-). Nandritra ny volana janoary teo, sahirana tamin’ny sokajin-dra B+ ny foibe. « Rehefa tena misy filana maika famonjena aina, manao antso izahay ary efa misy ny olona manana ireny sokajin-dra ireny azo antsoina na andro na alina », hoy ny fanazavany ihany.

    Amin’ny ankapobeny, raha vita tsara ny fifantenana sy ny fanadihadiana mialoha ny handraisana ny ra avy amin’ny mpanome, 0% ny ra misy aretina fa azo ampiasaina tsara avokoa.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.