Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Atsimo : vao mainka mihamafy ny kere

    Mahafaty olona ary miteraka fifindra-monina ny hamafin’ny kere any amin’ny faritra Androy, Atsimo Andrefana ary Anosy. Hafanana migaingaina, maina ny tany, ritra ny rano, tsy misy ny hanin-kohanina. Refona tanteraka ny mponina any an-toerana. Tsy mbola nisy ny rotsak’orana tamin’ity taona ity hatramin’izao.

    Miseho isan-taona ny kere any atsimo, saingy hetsika vonjy tavanandro hatrany no ataon’ny tompon’andraikitra ho an’ny mponina any. Ilaina anefa ny vahaolana ifotony maharitra hahafahana mamaha tanteraka ity kere miteraka tsy fanjarian-tsakafo any an-toerana ity.

    Hisy, araka izany, ny fikaonandoha nasionaly hotanterahina any Ambovombe Androy, ny 19 sy 20 febroary izao, hikatsahana io vahaolana maharitra io.Tanjona ny hitady paikady mahomby avy hatrany hahafahana mitondra fampandroana any an-toerana ary hanafoanana tanteraka ny kere izay mampijaly ny mponina.

    Handray anjara amin’io fikaonandoha io ny fanjakana, ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, ny fiarahamonim-pirenena, ireo sehatra tsy miankina ary indrindra, ny manam-pahefana eny ifotony izay tena mahafantatra tsara ny zava-misy.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.