Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Basikety – Coupe du Président : mitarika vonjimaika ny USF, ASS ary ny 2BC

    Basikety – Coupe du Président : mitarika vonjimaika ny USF, ASS ary ny 2BC

    Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fifanintsanana amin’ireo Zones roa, Ouest, any Tsiroanomandidy sy Sud, any Fianarantsoa, amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président”, taranja basikety.

    Araka izany, mitarika vonjimaika amin’ny filaharana ankapobeny ny USF avy any Matsiatra Ambony, mpampiantrano, ao amin’ny vondrona “A” misy azy, sy ny ASS avy any Amoron’i Mania, ao amin’ny vondrona “B”, ho an’ny Zone Sud. Samy nahazo fandresena avokoa ireto ekipa ireto nandritra ny andro telo nifanintsanana. Mety mbola hitsimbadika kosa anefa io filaharana io, arakaraka ny vokatra azon’ireo ekipa tsirairay mpifaninana.

    Ho an’ny Zone Ouest indray, hatreto,  mitarika ny 2BC avy any Vakinankaratra. Manana isa 6 eo alohan’ny Fanatic, manana isa 5.

    Ankoatra izay, toy ny tamin’ireo Zones Nord sy Centre ihany, ireo ekipa mitana ny laharana roa voalohany amin’ireto Zones Sud sy Ouest ireto no tafakatra hiatrika ny Play-off any Mahajanga, ny 27 febroary – 6 marsa izao. Eto Antananarivo, ao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena kosa ny famaranana ny “Coupe du Président”.

    M.N.

    Les commentaires sont fermées.