Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Betioky Atsimo : tsy ekena ny fanafoanana Dina

    Raikitra indray ny fihetsiketsehana nataona andian’olona miisa 12 eo ho eo tao amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo, afakomaly. Araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana, nahitana ny avy amin’ny ben’ny Tanàna, solontenan’ny Dinabe, raiamandreny, mpitondra resaka izay samy avy ao amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo ireo mpanao fihetsiketsehana izay nanatona ny Prefet sy ny lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana. Nitondra taratasy sy antontan-kevitra izay nametrahan’izy ireo fangatahana miisa telo : ny tsy hanafoanana ny Dina ao amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo, mitaky koa izy ireo ny hanesorana ny lehiben’ny distrikan’i Betioky Atsimo, ny fampiharana ny Hazofotsy. Ny fangatahana voalohany ihany no nekena fa ny roa sisa kosa miandry ny fahatongavan’ny linisitry ny Atitany any an-toerana, raha ny fanazavana hatrany. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.