Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fampianarana ambony : mivelatra ny tambajotram-pikarohana

    Fampianarana ambony : mivelatra ny tambajotram-pikarohana

    Nifarimbona ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika niaraka tamin’ny IRD avy any Afrika Atsinanana sy Afrika Aostraly ary ny Nosy La Réunion tamin’ny fanatanterahana ny fihaonana ara-tsiantifika avo lenta tamin’ny herinandro teo.

    Niompana tamin’ny maha zava-dehibe ny sehatry ny fikarohana eto Madagasikara sy ny voka-tsoa entin’izany fikarohana izany amin’ny faritra tsirairay ny fihaonana.

    Nandray anjara tamin’io fikaonandoha io ireo mpampianatra mpikaroka malagasy maromaro niaraka tamin’ireo manampahaizana efa mpanao fikarohana avy any amin’ireo firenena maromaro mpiara-miasa. Anisan’izany i Tanzani, Afrika Atsimo ary ny Nosy Maorisy.

    Nifanakalo traikefa sy fahaiza-manao ireo samy manampahaizana tamin’izany. Nanangana ny fiaraha-miasa entina hampandrosoana ny sehatry ny fikarohana ihany koa ireo mpikaroka ireo. Niaraha-nikendry ny hisian’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy toekarena ary ny kolontsaina amin’ny alalan’ny fikarohana hatao.

    Ankoatra izany ny fanitarana ny tambajotram-pikarohana amin’ireo sehatra sy mpiara-miombon’antoka maro ary ny mpandraharaha  amin’ny firenena tsirairay. Tamin’ity fihaonana voalohany ity, nisy ny fampirantiana sy adihevitra mikasika ny haizavaboary any ambany ranomasina sy ny sehatry ny fanjarian-tsakafo ary ny tontolon’ny fiovaovan’ny toetr’andro…

    Nilaza ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, Ramiarison Claudine fa ananan’i Madagasikara ny fahaiza-manao amin’ny sehatra ara-tsiansa rehetra. Efa eo avokoa ny asa fikarohana sy ny voka-pikarohana rehetra. Tokony hatao kosa anefa ny manasongadina azy ireny ho azo ampiasaina amin’ny sehatry ny fampandrosoana.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.